Fantaro ny ny kabary sy ny tontolo manodidina azy
Hitanao ato ireo kanto samihafa boky kabary, traikefa ifampizaràna eo amin’ny sehatry ny kanto.
Hamantatra misimisy kokoa
Fanamarihana ny nahazoana ny “Amboaran’ny mpikabary”, natolotry ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ahitana :
👉 ravaka kabary
👉 rindram-bolana samihafa
👉 kabary maro lafy
Filoha vehivavy voalohany nitantana ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FI.MPI.MA), nanomboka ny taona 2006, ary nitantana ny fikambanana nandritra fe-potoam-piasana dimy (2006 – 2026).
Mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy.
Mpandraharaha amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny sy fizahan-tany.
Mpandraharaha amin’ny sehatry ny Haihaingo vita malagasy.
Mpampianatra kabary eo anivon’ny FI.MPI.MA. amin’ny toeram-pianarana maro, indrindra ny ampitain-davitra.
Mpampianatra kabary ao amin’ny Sekoly manofana ho mpiasam-panjakana ambony eto Madagasikara (ENAM) (2005–2024).
Nanoratra boky kabary miisa enina.
Manana ny mari-pahaizana Maîtrise ès Lettres, Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy, taranja Haiolona (Anthropologie), Oniversiten’Antananarivo.
Manana ny Mari-pahaizana Master en Sciences de l’éducation, Ecole Normale Supérieure, Oniversiten’i Fianarantsoa.
Manana ny Mari-pahaizana Master en hôtellerie et tourisme, Parcours Management approfondi, Institut National de Tourisme et d’Hôtellerie, Antananarivo.
Notoloran’ny Ministeran’ny Kolontsaina ny loka « Hasin’ny Kanto 2017 » sy ny mari-boninahitra « Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture ».
Manana ny mari-boninahi-pirenena « Commandeur de l’Ordre National » tamin’ny taona 2014.